<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>552</hymn_number>
<title>Ry foko o, mba atolory FFPM552</title>
<lyrics>[V1]
 Ry foko ô, mba atolory
 Ny Rainao ny manjo anao ;
 Na mafy aza ny mahory,
 Dia hovonjeny hianao ;
 Ny lanitra no andrandrao
 Hahafaka ny sentonao.

[V2]
 Andriamanitra mahita
 Izay hahasambatra anao,
 Ka Izy no mahay mamita
 Izay zava-tsarotra aminao ;
 Tsy hotsitsiny aminao
 Izay mety hahasoa anao.

[V3]
 Ka aza kivy, ry mahantra,
 Na ory aza hianao,
 Fa matokia ny Mpiantra,
 Izay tsy mahafoy anao ;
 Ny amboariny izao
 Dia famonjena ho anao.

[V4]
 Dia aoka hianao hatoky,
 Raha mafy ny manjo anao,
 Ny Rainao dia mahatoky,
 Ka ampy hiankinanao ;
 Tsy misy tsy ho afany
 Raha avy ny fotoany.</lyrics>
<author>P. Nilsen-Lund</author>
</song>